TSY METY MILAZA (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mety milaza ve ny omaly e
Fa sary manjavona ka tomany e, tomany e
Tsy mety mifoha ve sa tsy mahare
Nefa toa tetsy ambadika ihany e,ihany e


Rehefa maty iny masoandro iny
Dia mahatsiaro an’azy foana ianao(x2)


Nindrana an’iny lanitra iny foana anie aho e
Sy ireo voro-kely tonga hihira maraina ho anao e
Hihira maraina ho anao e
Tsy mety nilaza anefa izy omaly e
Fa lasa nanjavona dia tomanye tomany e


Ho anao, ho anao ny anao
Raha toa mbola hijoro ho fahavaloko e (x2)

Ho anao ny anao(x4)

Nefa izaho tsy fahavalonao(x2)

Izay nomeko anao izay ampitiavana anie
Izay nameko anao izay ampitiavana be
Nefa ianao tsy mety milaza fa hoe(x2)
Mbola misy fitiavana indray mitete(x4)

Hoan’ny Gina,Fidou,Dama any Dago.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Olombelo Ricky
Hits : 18661
Likes : 1 Like
Created by :
Date : 12/10/2002 17:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733