Noelin'ny kamboty (Ny Nanahary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref :
Ny noelinay ry zareo,
Ao an-trano bongo mangingina,
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza.
Tanin’afo dia izay,
Rom-patsa iddtcua miaro sakay ;
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky,
Tomany fa kamboty.


Mahatsiaro ireo andro genh fahiny mbola nisy an’Ikaky hitosiana,
’Zao anefa dia afaka ho aiza fa nilaozan’ny reny nitaiza
Gadon-kira tononkira.serasera.org atopan’ny alina no sisa mandrotsy ombieny.

Feom-baliha tinerin’ny sento no miritsoka mamelovelo,
Singanin’ny feon-dakolosy izay manaitra indray ny alahelo,
Hany hery ny fo ngolingoly manokatra ny Baiboly.

Raha mahita anay tsy miteny dia mandroaka yliu mena masoandro,
Nefa kosa mba tsarovy ihany fa kodiarana anie izany tany.
Raha anio izahay no tomany, ampitso mbola hifaly.

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Nanahary
Hits : 17314
Likes : 0 Like
Created by : pissoa
Date : 03/10/2006 20:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0314