GOLGOTA, Toerana manan-tantara (NY MPIANTAFIKA Gospel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nampijalian’Izy, nanetry tena tsy niloa-bava
Tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina (novonoina)
Noesoin’Izy, nororana ary nolatsaina
Nefa tsy namaly fa niaritra izay mafy

Nahantona tamin’ny hazo fijaliana
Nofantsihina, nampijaliana
Noho ny otako sy ny hadisoako
Jesosy nanadio ity foko

Sôlô:
Toerana ‘zay manana tantara
Namonjena ny zanaka amam-para
Teo no tapaka ilay gadran’ota
Io no ilay atao hoe “Golgota”

Choeur:
(Golgota, Golgota)X8



ARNELL Hasina
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : NY MPIANTAFIKA Gospel
Hits : 2422
Likes : 0 Like
Created by : aah
Date : 13/01/2009 13:01
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4509