Ry Jeso ô (Ny Feon'ny Famonjena Antanamanjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And1 :  
Ry Jeso ô, inty ny zandrinao,  
Manolo-tena ho mpanomponao,  
Ampio hahay, hifikitra aminao zahay,  
Mba tsy ho revon'ny onja ety;  
Malemy osa ny fanahinay,  
Ka mora resin'ny fakam-panahy,  
Tahio zahay tsy hiala aminao hatrany,  
Tsy ho lo, tononkira.serasera.org tsy hihemotra  

Choeur1 :  
Ry Jeso ô, inty raiso aho  
Manolo-tena izao,  
ho mpanomponao….  
Malemy ny fanahinay,  
Tahionao zahay,  
tsy hihemotra…..  

Refrain iwzcoa :  
Ny otanay sy ireo ditranay, no efitra manasaraka aminao;  
K’hifonanay eto anatrehanao izany, ho voninahitrao.  

Ny otanay sy ireo ditranay, no efitra manasaraka aminao;  
K’hifonanay eto anatrehanao izany, ho voninahitrao.  

And2 :  
Tsaroako ianao, 'lay nohelohina,  
voasatro-tsilo, nokapohina  
Ireo eso-teny, latsa sy ompa ireny  
nekenao, niaretanao  
Nijaly ianao, 'lay tao Kalvary  
Nangovitra, niempaempa ery,  
Voafantsika, nangirifiry hatramin'ny taolana  
Niaiananao, ho avotray  

Choeur 2 :  
Tsaroako ianao, nohelohina  
Eso-teny sy ny latsa ireny, niaretanao…. mykop  
Tao Kalvary, nijaly ianao  
Nangirifiry ianao, mba ho avotray….  

Refrain :  eingijr
Ny otanay sy ireo ditranay, no efitra manasaraka aminao;  
K’hifonanay eto anatrehanao izany, ho voninahitrao.  

Ny otanay sy ireo ditranay, no efitra manasaraka aminao;  
K’hifonanay eto anatrehanao izany, ho voninahitrao.  

Mba ho voninahitrao(2)

A/C Valentin RAKOTONDRASOA

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Feon'ny Famonjena Antanamanjaka
Hits : 30
Likes : 0 Like
Created by : Valentin0314
Date : 08/07/2026 08:33
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0404