Vidin-kisoa (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niverina indray ity ny kirisimasy
Zaho very hevitra mangahiahy
Vidin-kisoako efa tamin'ny taon-dasa
Tsy azo

Notakiako mora amin'ny tenin'olon-kendry
Niangavy mihitsy aza aho hoe mba omeo
Inona akory fa daroka sisa tsy azo.

Ilay vidin-kisoako
Ilay vidin-kisoako
Ilay vidin-kisoako efa ilaina aiza moa e
Kisoa lahy maventy be ohatran'ialahy
Avereno a
Nanasatra ahy
Pata a!

Nalefa nitaky indray ravady
Tsisy izahay ao na ho atokona aza
Sosisy masiso no nentiny avy any
Marary

Nanafatra i Pata hoe tsarovy tsara
Miala amin'ilay vola iny manaova kajy
Tongava rahampitso raha mbola ho ampiana
Marary

Ilay vidin-kisoako
Ilay vidin-kisoako
Ilay vidin-kisoako efa ilaina aiza moa e
Kisoa lahy naventy be ohatran'ialahy
Avereno wah
Nanasatra ahy Pata a!

Ny nafitsok'i CB aza no tsy hitanareo
Nopepopepoiny aho raha nitaraina teny
Allez ialahy mody hoy izy dia niala
Ndana miompy hafa indray
Mba sanabavy
Tsa nety azo
Sanabavy lereto a
Tena izany
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : NV
Hits : 77
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 29/09/2024 14:59
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147