Andao hibebaka (MPIHIRA FANILO FLM Firaisankina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry olona mivory sy manatrika eto
Mba henoy tsara izao teny izao
Tenin’nyTompo sy ny tenin’ny filazantsara
Fa maro ny olona no tsy mba mahalala

Jereo kely anie Ingahy Rakoto be!
No mba manompo sampy sy mifantsifantsy
Manimba ny olona sy ny fiangonana
Fa izany no tanjony satana ihany

Refrain:
ô ry olona ô andao amin’izay
Hiverina hanompo an’nyTompo e!
Fa tonga ny ora sy ny fotoana
Hibebaka amin’Andriamanitra

Fa ireny ady ireny dia miseho ihany koa
Toy ny fiangonana sy ny fiaraha-monina
Na toeram-piasana sy bara fisotroana
Ka maro ny olona no miolonolona

Banjino kely anie ny mpivavaka  e !
Fa mbola maro ny manao fahazaran-dratsy ao e!
Ka toa mijangajanga fa tsy ampy lamba
Jereo kely anie ireo zipo hatreny ampoto-pe

Refrain:
ô ry olona ô andao amin’izay
Hiverina hanompo an’nyTompo e!
Fa tonga ny ora sy ny fotoana
Hibebaka amin’Andriamanitra

( Kabary kely )
Ô ry olona tonga mivory
Mba henoy tsara fa aza matory
Firy amintsika milaza mpivavaka
Nefa ny hariva mivarina an-tatatra
Tonga am-piangonana ny alahady maraina
Nefa miseho sy te mba ho deraina
Tonga ny hariva misotro toaka
Nefa trosam-bahoaka no mameno paosy
Ka tonga amin’izay ary ny any an-tànana
Ka volan'ankizy no omena ampiasana
Ka iny amin’izay ary ny ady aman’olona
Ka ny fiangonana no voatonotonona

Misy ihany koa ny ady am-piangonana
Hatramin’ny Komity sy Biraom-piangonana
Sasany moa dia manenjika fotsiny
Nefa ny ataony ary tsy hitany akory
Fanodikodinana volam-piangonana
Faly ny devoly izay mpanankorotana
Ka misy ihany koa anie ny mijangajanga
Hatramin’ny mpivavaka e!
Ka tonga amin’izay ny adin’ireo
Hatrany am-piangonana mitohy miseho
Ka iny amin’izay ary mifanondro mololotra
Ka mifangarika tao lava molotra

Ka andao amin’izay isika hiray saina
Fa Andriamanitra ihany no ho deraina
Ka hoy amin’izay ny Fanilo izao
Mampita ny hafatra mba hoanao
Ka raiso amin’ny fo feno fitiavana
Fa Andriamanitra tsy mba manavaka

Refrain:
ô ry olona ô andao amin’izay
Hiverina hanompo an’nyTompo e!
Fa tonga ny ora sy ny fotoana
Hibebaka amin’Andriamanitra


A/C : RANDRIANARIJAONA Njakatiana Fabien (RNF)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : MPIHIRA FANILO FLM Firaisankina
Hits : 235
Likes : 1 Like
Created by : FabienRNF
Date : 11/02/2025 20:18
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2877