Paradisa (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao nahita anao
Dia babonao tanteraka aho.
Hadinoko avokoa
Ireo namako taloha .

Taratasy iray
Nosoratako ho anao
Pi-masoko indraindray
Mino aho fa fantatrao .

Refrain : Izaho maniry anao...,
Mahafatifaty loatra ianao.
Tsisy intsony hasambarana
Mihoatra noho ianao .
Tena fatratra , mahery ianao...
Mba ho lafatra aho raha tianao .
Paradisa vaovao ho ahy
Ny eo anilanao .

Mahafinaritra ahy ianao .
Tena manja tsotra izao .
Mahafatifaty ery ,
Moa tsy maha te ho tia .

Ilay fitiavako iny
Lasanao manontolo .
Tsisy intsony ireo fahiny
Fa voafafanao daholo .

Refrain
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : MIckael
Hits : 2546
Likes : 0 Like
Created by :
Date : 11/03/2005 09:42
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197