Samaritana (Mickael Randriambololona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nangarika ahy izay rehetra nandaloNaneso ahy ho toa zava-poana,
Misy aza ireo mitsangako ho vahavalo
Namely ahy tsy ahoana tsy ahoana.
Nahamenatra ahy ny eny an-dalambe
Mpanenjika sy mpanakora
Nifikifi-doha izay rehetra nandre
Nanara-po sady nandrora.
Fa nandalo teo koa nefa Ianao
Tsy anisan'ny mpiray tanana
Tsy nisalasala nandray ahy
Ianao ve ilay samaritana.
Sa iza loatra ary Ianao?
No sahy nitia ahy, iza loatra Ianao?
Tsy nahalala ny amiko
Nefa dia sahy nitia tsotra izao.
....
Fa nandalo teo koa nefa Ianao
Tsy anisan'ny mpiray tanana
Tsy nisalasala nandray ahy
Ianao ve ilay samaritana.
*Sa iza loatra ary Ianao?
No sahy nitia ahy, iza loatra Ianao?
Tsy nahalala ny amiko
Nefa dia sahy nitia tsotra izao.
(X2)
...
Nitia tsotra izao!!
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Mickael RandriambololonaHits : 14
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 27/11/2024 11:21