Tara (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tara e!Hoy ahoe tara e!
Izany sipa izany
Miandry,tsy sasa-miandry
Bandy anankiray

Io any izy irery miandry am-bavahady
Izy miandry irery sao mba misy olona ho avy
Saingy tsy ho avy ilay bandy iray
Izy hono sasatra miandry
Ny orana hitoa indray

Tara e!Hoy aho hoe tara e!
Izany sipa izany
Miandry,tsy sasa-miandry
Bandy anankiray

Io izy an-tsekoly toa mbola mandry maso
Alina izy tsy natory tsy nahakipy ny maso
Efa ho diva haraina izay vao maty jiro
Izy tsy nahazo aina niandry ny ampitso

Fa ny ampitso anie ka hitondra namana
Fa ny ampitso anie ka hanoro làlana
Izao any izy izao tena (fay!fay!fay!)2

Izy tsy tia intsony miandry irery am-bavahady
Izy tsy tia intsony miandry olona tsy ho avy
Izao any izy izao tena (fay!fay!fay!)2

la!la!la!la!la!...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lolo sy ny tariny
Hits : 3877
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 04/10/2007 22:21
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765