Sakaizan-gitara (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh migadra anie aho, tsy afa-mankaiza
Manahy aho ny ho antitra eo
Tsy afa-maninona, tsy afa-mankaiza
Fa safotry ny hanitrao.

Ny làlako efa mihatery
Izaho mbola mino anao ihany
Fa manantena anao mba hijery
Fa boribory moa ny tany

Voadona androany aho manodidina
Fa ny ampitso aho eo no hiverina
Ny fiainako toa mihamatsatsotsatso
Tsy novalianao ilay antso

Izaho ilay bandy kely matetika tara
Fa miady irery tsy misy mahalala
Ny fitiavako kely miery
Mihamafy, mihamahery

Oh maniry kintana ny  habakabaka iny
Ianao va no namboly ireny
Fa kitakitana anie aho d'efa mody
Ianao rahateo ilain'i neny

Dia iny ary aho manjohy irery
Ny làlan-keliko hatrizay
Toa vatokely tsisy mpijery
Fa efa zatra aho hatrizay

Raha tsy tianao aho tsy maninona
Ny maso fotsiny no mangirana
Raha tsy tianao aho tsy maninona
Ny foko fotsiny no manindrona

Izaho ilay bandy kely sakaizan-gitara
Tsy maharitra ela, tsy mety tamana
Ny fitiavako tsy nasiako sira
Fa vitavitan'ny hira
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lolo sy ny tariny
Hits : 2185
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 02/04/2019 10:12
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109