Bilakarenjy (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sangy mahery fanaon’ny ankizy
No nampikotringa an’i Bilakarenjy
Saingy tanàna tsy misy mpitsabo
Ny tanàna kelin’i Bilakarenjy
Ratra mandalo @ manakatao
Nanjary takaitran’i Bilakarenjy

Fa tanim-bary tsy mahavita taona
No anjara lovan’i Bilakarenjy
Karama asa tany nanilika trosa
No nandany ny andron’i Bilakarenjy
Tsapany ary tsinjony tsara
Fa ny hiafarany dia kizofara

(Nifamaly mafy)2 i Ratrema sy i Bila
Indray fararano teo ampamoloana
Teo mantsy i Bila tsy nanaiky intsony
Ny hifamerin-doha izay vola vita
Nitraotra i Bila kanefa izy irery
Ny namany teo tia hanampy azy
Kanefa tsy sahy,dia lasa i Bila
Nandao ny tanàna,
Nisavika niala any Antananarivo

Indroa:

O! Bila o!Bila!Bilakarenjy
Mitsakaraka mivenjivenjy
Kotsa ny lamba eny ankodiny
Mitsakaraka keta sy kodiny
Mandeha sady mivazavaza
Sao alehany sary sy zaza a! a!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 7282
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 20/11/2002 12:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113