Anjara Masoandro (ft Kayba) (Kemyrah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Intro (Kayba)
N’iza n’iza hanaratsy ireo izay vitanao
Aza raisina mahakivy anao
Fandalovana ny tany tsy ho lany ny tomany
Raha handeha aleo mivoatra ihany

Kemyrah :
Masoandro iray tsy misy ny hoe tompony
Fa samy mba mahazo ny anjarany
Tsy hoe miangalatra ilay tara-pahazavana
Fa ny olombelona samy amin’ny lalany
Ny tsirairay anie efa samy mahalala
Fa tsy natao ho amboara
Fa ny azo ambara dia manao ny tsara
Mila mahalala fa samy tompon’ny anjary

Kayba :
Fa ny androany e
Ho tsarain'ny omaly e
Ho hatsarain’ny ampitso
Ary hiverina im-pito
Fa ny androany e (zama a)
Ho tsara ny omaly e (yeahii)
Ary hivoatra isan’andro
Ho tonga ny anjara masoandro

Kemyrah :
Samy mba hoe manantena
Tsy ho diso anjara ny amin’ity fiainana
Samy miandry ny ampitso ilay mamy
Anjara masoandro vaovao ho azy
Samy manana ny fo sy ny fisainany
Miezaka mijoro hatrany tsisy nitarainany
Na dia rovi-damba tsy misy atao ianao izao
Io hakivinao io mihitsy no ataovy hoe « NO ! NO »
Tsisy tokony hoe lavo ianao ka dia hoe hiondrin-dava
Ianao koa anie tsy Andriamanitra ka hijery ambany
Mila mi-domine ianao dia mahazo laka
Mila kopy mihitsy ianao fa izay ilay eto an-tany
Ny akama aza mamadika raha sendra mahamay
Na dia hoe sarotra aza dia aza ariana ny ezaka
Tsy rariny raha ny fikirizanao hatrizay
No adinonao rehefa sendra dezaka ! Dezaka

Ref : Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Samy manana anjara (Manana anjara masoandro)
Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Samy manana anjara masoandro

Kayba :
Aza avela ho very ny lera
Mitsangàna rehefa mianjera
Fidio tsara izay mpandray anjara
Izay vita eo no afaka atao tantara
Aza avela handeha hoa ny lera
Mitsangàna rehefa mianjera
Fidio tsara izay mpandray anjara
Izay vita eo no afaka atao tantara

Ref : Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Samy manana anjara (Manana anjara masoandro)
Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Samy manana anjara masoandro

Outro (Kayba)
N’iza n’iza hanaratsy ireo izay vitanao
Aza raisina mahakivy anao
Fandalovana ny tany tsy ho lany ny tomany
Raha handeha aleo mivoatra ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kemyrah
Vangy : 847
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kemyrah_tononkira
Daty : 28/03/2020 11:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075