Kisendrasendra (Kafa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kisendrasendra fotsiny ihany no mba naha-mpinamana antsika
Satria fitia tsy namboarina fa tonga tampotampoka
Nony elaela teny nifanerasera foana
Ary nahatsapako fa mety raha ho namako ialahy

Tsy nanafina intsony aho fa nasehoko an'ialahy avokoa
Izay rehetra tamiko na ratsy izany na soa
Tsy nanafina intsony aho fa nasehoko an'ialahy avokoa
Izay rehetra tamiko na ratsy izany na soa

Kinanjo taty aoriana, fifankazarana sisa
Somary niova kely ialahy, diso sahisahy
Vao ireo toetra sy fihetsika tsy voatandrintandrina intsony
Ka nataingintaingin'ialahy ho ambany ambony ny amintsika e

Tsy haiko aloha ny fihevitr'ialahy fa nahatonga saina kely ahy ihany
Ny fahalalan'ialahy ny ato am-poko anefa mbola ho sarotsarotra ihany
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Kafa
Hits : 49
Likes : 0 Like
Created by : dahfara
Date : 11/10/2024 20:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255