You are here: home > Tononkira > kafa

Voakazo voarara (kafa)

Matimaty tamin-dry akia hoa izaho hatram'izay
Vorona azon'adala
Dia matimaty tamin-dry akia hoa izaho hatram'izay
Mmmmhhhh maty e !
[Dia ninonino foana teny, mbola nanaiky tam'ireny,
Dia saro-piaro be ery, tsy mba nampirafy an-dry] x2

Fa ny mba nahavariana akia d(ia) ny fahaizan-dry mihala sirika
Fangala-pihery hafa kely
Fa ny mba nahavariana akia d(ia) ny fahaizan-dry mihalaTsiky dia ampy sirika
Vita vao afa-po
[Tsy mba tratra nampirafy, tsy mba tratra nanamafy,
Dia sanatria ohatran'ny Anjely, hay niompy 'lay satana kely]x2

Fa voankazo ohatran'inona akia iny voateliko iny,
Sao dia mba voakazo voarara ?
Fa voankazo ohatran'inona akia iny voateliko iny ?
Mifamitaka tsy tsara
[Nanontany aho fa mandainga ianao, miova foana 'zay voalazanao,
Ô ry foko io rohay, fa mikasa hamadika ahy.] x2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : kafa
Mpamaky : 1284
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : RadoH
Tamin'ny : 19/05/2015 06:16:45
ID : 7458

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo