Ventso miampita (kafa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ventso miampita sisa alefako any e
Ventson’ny manina ka manontany e

Manembona foana ny aty e
Maniry fihaonana toy ny taloha
Tsy maharitra e fa mitantara
Mbola hiaritra e f’efa anjara
Ny miandry anao

Manembona foana ny aty e
Maniry fihaonana toy ny taloha
Tsy maharitra e fa mitantara
Mbola hiaritra e f’efa anjara
Ny miandry anao

Aza ela any ianao fa modia e
Efa sasamiandry lava izao ny aty e

Manembona foana ny eritreritra e
Toa tokana nosy mitakerikerika e
Mila anao hanafana indray
Ilay falafa fahizay
Modia modia

Manembona foana ny eritreritra e
Toa tokana nosy mitakerikerika e
Mila anao hanafana indray
Ilay falafa fahizay
Modia modia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : kafa
Vangy : 710
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jajyrandria
Daty : 21/11/2019 21:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734