Mba vangivangio (kafa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaky ny fotoam-pahavaratra aky
Dia mahatsiaro andri zahay aty
Manala kiraro manaforiporitra pataloha
Zay vao sahy mitodidoha mankaty

Vangio matetika ireo akamandri
Fa mangingina dia haolo ny tanàna
Vatsio raha misy ilay ambina pi
Hanafana resaka ampitohy ny korana
Mba vangivangio (2)

Mba bipeo kely aho rehefa tsy afa-mihaona isika roa
Fa mahatsiaro andri zahay aty
Na dia hoe, fikafika aza ny kozindri
Alefao fa misy mankafy

Mba mivilia raha toa ka misy fotoana
Ny andro rahateo aty efa lohataona
Tsy olana intsony ny mandalo aty
Tongava amin’izay aki aty mba mamangy
Mba vangivangio (2)….. Mba vangivangio (4)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : kafa
Vangy : 950
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jajyrandria
Daty : 21/11/2019 21:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.137