Sarobidy (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Voambara taminay Jeso (Jeso)
Fa nateraka ho olona hianao
Mba hamonjy ireo mpanota very koa
Nohon'ny halehiben'ny fitiavanao
Sarobidy, Ô ! Tena sarobidy re !
Tsy voavidy fa soa dia soa sy lehibe
Ry Jesoa ny fitiavanao anay
Hatrizay ka hatrizao sy ho mandrakizay
Voambara taminay Jeso (Jeso)
Fa nateraka ho olona hianao
Mba hamonjy ireo mpanota very koa
Nohon'ny halehiben'ny fitiavanao
2)
Voalaza taminay Jeso (Jeso)
Fa nanetry tena loatra hianao
Tranon'omby rakotra mololo koa
'Zany ve ry Tompo no nandrianao
Sarobidy, Ô ! Tena sarobidy re !
Tsy voavidy fa soa dia soa sy lehibe
Ry Jesoa ny fitiavanao anay
Hatrizay ka hatrizao sy ho mandrakizay
Voalaza taminay Jeso (Jeso)
Fa nanetry tena loatra hianao
Tranon'omby rakotra mololo koa
'Zany ve ry Tompo no nandrianao
3)
Voatory taminay Jeso
Fa nanaiky nidina tety hianao
Maimaim-poana sady tena tombon-tsoa
Ho anay mpaniasia ny avotrao
Sarobidy, Ô ! Tena sarobidy re !
Tsy voavidy fa soa dia soa sy lehibe
Ry Jesoa ny fitiavanao anay
Hatrizay ka hatrizao sy ho mandrakizay
Voatory taminay Jeso
Fa nanaiky nidina tety hianao
Maimaim-poana sady tena tombon-tsoa
Ho anay mpaniasia ny avotrao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)Hits : 26
Likes : 0 Like
Created by : FitiaCatt
Date : 04/02/2026 07:00
