Lala simba (Hamy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ZAZA, TOY NY REHETR’I LALA
MANAM-PANAHY SY TSARA TOETRA
FA TAMPOKA TEO NIOVA FAMINDRA
NIA-NAHANTRA TSIKY ASA ANGAHA NAHOANA...

MARAINA BE DIA EFA ANY AN-TSEKOLY
NY LAKILASY, MBOLA MIHIDY
MALAINA MAFY RAHA HODY NY HARIVA
MANGANOHANO, MILA HITOMANY
MANGANOHANO MILA HITOMANY...

MIBAKABAKA TSY HAY HOE NAHOANA
IRONY MASONY MIVONTO LAVA FOANA
DITSO-DRANOMASO TSY MAHITA ANDRO MIRANA
FA NORATRAM-PITIAVAN-DRAINY TAFAHOATRA
FA NORATRAM-PITIAVAN-DRAINY DISO FITOETRA...


FIRY AMINTSIKA ARY NO MAHALALA
FA RAHARIVA I LALA
DIA MBOLA HANDRY ANAIKY MOLOTRA
HANIRY MAFY NY HO FODY KA HIKOPAK’ELATRA...

FIRY AMIN-TSIKA KOA NO MAHITA MANODIDIN’AZY
NY FISIAN’NY ZAZA TOA AN’I LALA
FA MIKIPY MASO NA TSY TE HALALA
SY MBOLA MAHATSIKY MANOLOANA FITARATRA
SY MBOLA MAHATSIKY MANOLOANA FITARATRA...

MIBAKABAKA TSY HITA HOE NAHOANA
IRONY MASONY MIVONTO LAVA FOANA
DITSO-DRANOMASO TSY MAHITA ANDRO MIRANA
SATRIA TIAVIN-DRAINY MIHOATRA NY ILAINY
SATRIA TIAVIN-DRAINY MIHOATRA NY ILAINY...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hamy
Hits : 2818
Likes : 0 Like
Created by : dragon2madagascar
Date : 13/06/2006 13:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7046