S'EX' i ra-Mika (Hamy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
S’EX’I R@-MIKA

Diso vao maraina indray hono i r@-Mika
Ka voatery andeha hitsena, mba hi-“sex” harivariva
Andeha hi-“sex” @ ahoana moa?
Andeha hi-“sex” @ r@-Bozy kely hono letsy à!
Andeha hi-“sex” @ ahoana koa?

Andeha hi-“s’excuser” noho ny nataony hono lery e!
Fa tsy mora ny mamelom-pitiavana e!
Ary mila mpikolo mba ateza ny filahiny e!


Miady lava foana mantsy izy mitsam’@
Ka mila mi-“sex” vonjy maika mba ampi-lamina
Mila mi-“sex” @ ahoana moa?
Mila mi-“sex” mba ampitony saina
Mila mi-“sex” @ ahoana koa?

Mila mi-“s’examiner” lesy izy roa e!
Mila mi-“s’exprimer” hatrany hatrany e!
Mba tsy hiaran-doza ny fiafarany e!


Satria hoe tary tena be “sex” hono i r@-Mika
Tsy mba nirefesan’ny bandy, fa tsy nisy fika
Be “sex” @ ahoana moa?
Nokoizana teo aminy tanana, raha nahita azy ny sipa nihànahana
Be “sex” @ ahoana koa?

Be “sex-appeal” lesy ilay tary e!
Hany ka nahatonga disadisa, hatrany izany e!
Teo anivon’izy mivady, maraina hariva ary koa atoandro e!


Hita harivariva teny Ivato, hono i r@-Mika
Andeha hi-“sex” fa ilay vady lasa any ampita
Andeha hi-“sex” @ ahoana moa?
Andeha hi-“sex” any @’ny mena sofina hono lety e!
Andeha hi-“sex” @ ahoana koa?

Andeha hi-“s’expatrier” any Paris hono i lery!
Anafika an-dra-Bozy kely fa tsy mbola ni-“s’avouer vaincu” e!
Fa na ho ela na ho aingana, mbola hi-“sex” indray mandeha hono izy roa e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hamy
Vangy : 3353
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : dragon2madagascar
Daty : 08/03/2006 10:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794