Noely fitiavana (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Teraka ny Mamonjy
Nanaiky ho tonga ety
Tsy lapasoa fa tranon'omby
Io no nadraisana Azy
Faly sy ravo mihira amin'ny fo
Ny anjely maro tokoa
Nahoana moa izaho sy ianao
No tsy hidera an'i Jesoa

2. Tsy haitraitra ihany
Na fahazarana
No entina mankalaza izany
Fa efa fiainana
Ankalazaina amin'ny finoana
Sy amin'ny fitiavana
Nahoana moa izaho sy ianao
Raha mifandray tanana

Ref.: NOELY
Mitondra fitiavana
NOELY
Mitondra fiadanana
NOELY - NOELY
Tonga nofo ety ny zanak'Andriamanitra
NOELY
Azy ny fankalazana
NOELY
Hery sy ny fahefana / *fifamelàna
NOELY - NOELY
Hiara-hanandratra Anao ny tany sy ny lanitra

3. Vahoaka sesehena
No miara-mifaly
Satria tonga ho famonjena
'lay zanaky ny Ray
Sitrany raha tiantsika ihany koa
Ny hampiditra Azy ao am-po
Nahoana moa izaho sy ianao
No tsy handray an'i Jesoa

Ref.: NOELY ... (x2)

Fin: Avia hitsaoka Azy, 'zay Tomponao!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GAFLI
Hits : 207
Likes : 1 Like
Created by : Solofomandimby
Date : 13/01/2024 09:28
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117