Miorina (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Asandrato avo ny fiderana
Ho an'ny Ray mpahary izao tontolo izao
Fa efa anazy ny fahefana
Ny taloha sy ny hoavy ary izao
Lehibe sy mahagaga ny asany
Nanaiky antsika ho tonga olony
Sady koa hiray aina Aminy
Ny fahasoavany natolony
Ref: Miorina mafy ao amin'i Jesoa
Vatolampin'ny finoana
Ka tsy miova fa hatramin'ny farany
'Zay mamaka ao Aminy dia tsy mirona
Ny asa miandry antsika mbola be dia be
'Ndeha atao amin'ny fo
Ho episitily n'aiza n'aiza aleha
Ka ny Tompo hanome valisoa

2. Fiaingana vaovao no atao
Fa handeha hisedra ady marobe
Satria tezitra ireo fahavalo
Te handavo antsika tsy handeha
Nefa matokia ny herin'ny Tsitoha
'Lay Fanahy mitaiza sady mpanavao
Izy no mitari-dalana eo aloha
Mampahery amin'izay atao
Ref: Miorina mafy ao amin'i Jesoa ... (x2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GAFLI
Hits : 372
Likes : 0 Like
Created by : Solofomandimby
Date : 24/09/2022 10:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728