Hihira ho an'i Jehovah (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny fahasoavanao ry Ray no mampijoro anay
    Haneho fa tena ho iraka ho Anao mandrakizay
    Hitory sy hilaza ny hatsaran'ny asanao
    Dia tonga feno hery sy olom-baovao
    Ka ireo talenta 'zay efa nozaraina
    Tsy alevina fa entina, omena ho ampiasaina

Ref: Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa
       Satria Izy no ilay efa tia ahy taloha
       Hankalaza an'Andriamanitro aho raha mbola miaina
       Ka Izy ilay mpamorona sy mpiahy no ankalazaina
             *Hihira aho mandra-pialako eto an-tany
              Hihira aho raha mbola eto an-tany
      Ka ho FEON'NY LANITRA ankasitrahana

1. Ianao Fanahy Masina, isaoranay hatrany
    Fa teo Ianao nanomba, nanefy sy niandany
    Ka na dia maro aza ny rivotra nandalo
    Ny miaraka Aminao tsy ho ravam-pahavalo
    Mendri-piderana fa feno fitahiana
    Asandratray am-bavaka, redoninay an-kira

Ref: Hihira ho an'i Jehovah ... (x2)
    
--------
Link:
Comments
Solofomandimby ( 05/07/2022 18:10)
Hira fanevan'ny faha-55 taonan'ny Feon'ny Lanitra Ilanivato ity hira ity;
araka ny teny faneva hoe:"Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina." Salamo 104:33
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133