RAHA TSONTSA (Dany Ranoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsotsa, lahy, ‘lay silaky ny ainaDia aza atositosika na latsaina !
Raha diso ka potrak’ilay olon-tiana :
Areno malaky fa aza tsindriana !
Ny fitiavana : tsy mifanala-baraka
Satria farimanga mifaningo-paka,
Sy tantely manatody amim-pary:
Miray samy mamy ka tsy mifanary !
Vilany mihilana : adidin’ny toko !
Koa raha ny solanga no mihajoko
Vonjeo fa tsy tokony afoy velively
Areno dia ataovy fitia fozakely !
Dany Ranoa 1958
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Dany RanoaVisites : 2105
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FanjaAndriamanoa
Date : 23/05/2020 14:51
