DINAN'NY FITIA (Dany Ranoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny volana sy taona
No mety hiova foana
Sy hifampisolo koa;
F’ilay fitia sy dina
Nomeko anao, ry tiana,
Dia tokana fa tsy roa !

2-Ny mamy sy mangidy
No mety hifandimby
Amin’ny fiainantsika;
F’ilay  fitia  nambara
Tambony alitara
Ho tanako tsy ho tomika !

3-Na hisy fahavalo
Mitady hampimalo
Sy hampisafotofoto…
‘Lay voady izay najoro
No handrava sy hampikoro
Ny loza ho kila hotohoto!…

Isan’andininy:
‘’Na ory ianao na manana,
Na sanatria farofy,
Izao no hany lalana :
Ny handao anao ho nofy!…
Ny fasana ihany
No hampisaraka ny dia ! ?…
Na izany na tsy izany
Hitohy hatrary
‘Lay dinan’ny fitia ! “
                     Dany Ranoa 1976
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Dany Ranoa
Visites : 2251
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FanjaAndriamanoa
Date : 23/05/2020 14:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0696