NY TANIKO (Dany Ranoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Miorim-paka ao anatyMandra-maty,
Lovasoa sarobidy
Tsy voavidy,
Ianao ry tanindrazako
Malalako
‘Zay sahaniko sy mamiko
fa taniko
2-Ianao no niandohana,
Hiafarana…
Ianao no fianteherako
Salemako.
Ianao ry tanindrazako:
Aindrako,
Ka fihiniko, banjiniko,
fa taniko…
Isan’andininy:
Ianao no hany tokako, fialofako
Ianao ry tanindrazako, no Edenako.
Ka na mandreby sy manaitra ny rehetra,
Ianao no tiako, fifaliako, fitodiako!
Dany Ranoa 1968
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Dany RanoaHits : 1030
Likes : 0 Like
Created by : FanjaAndriamanoa
Date : 23/05/2020 15:12