Anao safidy (Feon'anjomara Mahajanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao anio izao
Mitady anao ny Tomponao
Oh! oh aza ela!
Tapaho ny hevitrao izao anio izao

Refrain:
Fa ho avy Izy izao haka ny olony
Ka aiza no misy anao
Haviany ve? sa hankavanany?
Anao safidy, anao safidy, safidy anao.

Izao anio izao
Miovà fo ianao mba ho vao
Tsy fantatrao izay ampitso
Tapaho ny hevitrao izao anio izao

Refrain ...

Izao anio izao
Dia maneke hiaraka Aminy ianao
Fa miandry anao ny Tomponao
Dia maneke Azy izao anio izao

Fa ho avy Izy izao haka ny olony
Ka aiza no misy anao
Haviany ve? sa hankavanany?
Anao safidy, anao safidy, safidy anao.

Fa ho avy Izy izao haka ny olony
Ka aiza no misy anao
Ho very ve? sa ho voavonjy?
Anao safidy, anao safidy, safidy anao.

ANAO SAFIDY
Feon'Anjomara Mahajanga; Album Vol.02
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Feon'anjomara Mahajanga
Hits : 125
Likes : 0 Like
Created by : EliseeR
Date : 27/11/2025 07:29
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0137