Hody any aminao (Fangia Kalo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Midona malefadefaka Ralala ô
Ny orana avy atsinanana
Ny andro koa efa hariva ho’aho kanefa
Ny ora tsy azo tanana
Ny aina efa mila ho trotraka Ralala
Fa manina anie aho k’injao
Alaikako ny famindra ‘ndeha hody any aminao

Ny entana injao milonjy ao am-babena
Mavesatra koa ny tongotra
Ny lalana anefa lavitra Ralala,
ny hoho aza mila hiongotra
Na miakatra sy mideza, tsy maninona
Hiaretako ihany izao
Fa n’inona mbola hihatra, izaho hody any aminao

Ty ranjo efa mihararetrako
Na valaka, tsy hapetrako
Fa tsy ho sitrako ho’aho Ralala ny ho tavela
Na mbola ho ela ny ela
Fa mamiko ho’aho ‘lay tsikinao
mitsena ny masoko eo an-tokonana
Sy ny fihina hifanatonana
Tsy handriko koa lay oroka hiombonana

Midona mahalankalana Ralala ô
‘ty orana harivariva
Nilatsaka koa ny haizina
Ary ny alina ity aza efa madiva
Maharary ahy ny faladiako kanefa
Tsy ahoako fa indro izao
Manokatra varavarana aho dia eo aminao

A/C : Ny R . Fidimanantsoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Fangia Kalo Gasy
Hits : 493
Likes : 0 Like
Created by : FangiaKaloGasy
Date : 06/01/2023 04:53
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228