Billy Billy (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toky tsy hita leitsy Billy no mampiasa loha azy
Hay fahita io leitsy Billy, mankaleo mankalao
Ny vao Billy anie mazana manaitra maso mahatamana
Fa toa feno hazavana

Ny zava-bita leitsy Billy dia tsy hitamberina intsony
Ny ho avy tsy hita leitsy Billy, ataovy zay ho ambony
Ny lasa leitsy homba ny lasa, ny ho vay indray izao no asa
Zay no ataovy fikasa

Billy Billy e (4)

Tsy taitra ialahy tsy maika Billy, zay tonga ihany tsy tara
Mafana be ny paika Billy, dia mbola misy ny anjara
Raha mbeso kely ialahy no voa, hahita aretin’andoha
Mety hivaha ihany koa

Billy Biily e (4)

Tano ny azo leitsy Billy fa sarotra izao ny mila
Andeha mba fetsifetsy Billy sao dia mba mivaralila
Ny manantena tsisy sarotra, ny lela aleti-behivavy
Ka miezaha mba migafy.

Billy Billy e (4)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Black Jack's
Hits : 3335
Likes : 0 Like
Created by : fanasina7
Date : 17/11/2013 18:21
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115