SALAMO (BIDA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
    
1- Sambatra ny olon’izay tsy mitoetra
Amin’reo ratsy fanahy
Ny làlan’ny Tompo no ifaliana
Andro aman’alina
Toy ny hazo velona, tsy mba malazo
Izay atao rehetra, vanona
Dia tsy mba toy izany, reo tsy mpino
Ka dia ho faty sy ho very avokoa

2- Sambatra ny olon’izay tsy mba
Tanan’ny Tompo, ny helony
Manaiky fa tsy misy fitaka
Amin’ny fanahiny
Raha tonga ‘lay rano ka tondraka be
Mety ahafoana izao tontolo izao
Fifaliana, haravoana izay manao
Ny marina fa, madio ao am-po
          Soa ihany Raiko malala o!
Fiv:    Nifona ka niverina Aminao
         Tsapako tokoa fa tsara indrindra, ny manana Anao
         Tsara indrindra Ianao, ka hoy aho hoe: Sambatra aho

3- Sambatra ny olona mihantra reo
Ory, tsy misy mpiahy
Ny Tompo hamonjy sy hanafaka
Amin’ny andro sarotra
Reo fahavalo, handringana
Tsy ahoako ireny, zay mitranga ety
Efa Anao aho Jesoa ô, Anao hatrany (2)
Ka tsy ho resy aho, na inona hiseho

BIDA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : BIDA
Hits : 850
Likes : 0 Like
Created by : b200677
Date : 24/01/2018 14:39
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779