FITIAVAN-DEHIBE (BETTY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lazaiko anareo, ho tafintohina ianareo,
Nohon’ny anarako, ho tafintohina anareo
Lazaiko anao ry Petera; rehefa maneno akoho
Dia handao ahy in-telo ianao

Fitiavan-dehibe, natolotr’i Jesoa
Tao Kalvary, no vita sonia
Nihosin-drà fitafy, kapoka tena naharary
Mba hanavotany ahy sy ho anao.

Alahelo, hakiviana tena fahoriana
Nanjo ireo mpianatra tao Getsemane
Fa i Petera kosa, nilefa an’I Jesoa
Nodiany tsy fantatra ny tompony.

Fitiavan-dehibe, natolotr’i Jesoa
Tao Kalvary, no vita sonia
Nihosin-drà fitafy, kapoka tena naharary
Mba hanavotany ahy sy ho anao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : BETTY
Hits : 2120
Likes : 0 Like
Created by : macpro
Date : 25/02/2009 21:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744