Fiantsoan'Andriamanitra (APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiantsoan’Andriamanitra
Toa tsotra fa manintona
Fahasoavan-tsesehena anie
Homeny ireo izay maharitra
Reo fo voasedran-java-tsarotra (x2)

Ry Jesoa ô ambeno re
Amy dia ‘ty zandrinao e
Fa mianatra mandeha any aho
Sao lavo indroa in-telo tofoka (x2)

Any i Dada any i Neny izay
Omeo faharetana
Reo zoky tsy hadinoko sy zandry ary ny sakaizako
Mpanao soa ahy sy ireo hafa koa (x2)

Masina Maria Reny ô
Tolory tanana izahay e
Fa zanakao mila tantanana
Tanoranao mora mivadika (x2)

Any izay ilay tanànako
Sakelidalana falehako
‘Zay fonenam-pahazazana
‘Lay fihirana raha diavolana
‘Reo tendrombohitra ala maintso koa (x2)

Fa fiantsoana zava-tsarotra
Mila fandaoza-matotra
Ka raha tsy ny herin’ny Fanahy anie
Dia zava-poana izay rehetra hatao (x2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Hits : 140
Likes : 0 Like
Created by : andryangelove
Date : 31/01/2024 08:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758