Hono ho'aho Jesoa (Antokom-pihira Vetson'i Siona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Hono ho'aho JesoaTsy mba misy ve zioga
Maivamaivana kokoa
Hamaliako ny antsonao
Te hanaraka Anao aho
Saingy kely aina ihany e!
Raha azonao atao
Zioga maivana omena ahy
Te hanaraka Anao aho
Saingy tsy afaka manoatra
II. Amin'ny andro maha ory
Mila tsy ho zakako e
Ity hazofijaliana
Asainao hoziogaiko
Te hanaraka Anao aho
Saingy kely aina ihany e!
Raha sendra hakiviana
Eo an-tratranao foana aho
Te hanaraka Anao aho
Saingy tsy afaka manoatra
III. Ombieny ombieny
Toa mila ho fanina aho
Hareno aho Jesoa ô
Fa osa sy malemy
IV. Hamaivano aho
Ombay ny herinao
Eo anilako hatrany
No iangaviako Anao
© Vetson'i Siona
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antokom-pihira Vetson'i SionaHits : 741
Likes : 0 Like
Created by : Avotra23
Date : 03/10/2020 13:03