Miovà ianao (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Fa maninona moa ny olona no manjary tia tena
Ka tsy mihevitra zavatra hafa fa dia ny vola sy harena
Ny ho eo aloha no tanjony
Ny ho ambony no kendreny
Indrisy f’eto an-tany ny lovany
Ka tandremo sao diso lalana ianao
Ity misy lalana iray, mba atoroko anao
(Miovà ianao, miovà ianao, aza mba tia tena)
Voasoratra fa any am-parany any ny olona ho tia tena
(Miovà ianao, miovà ianao, aza mba tia vola)
Voasoratra fa any am-parany any ny olona ho tia vola
Ndao hanomana fiainana mandrakizay
Fiainana mandrakizay, dia ho sambatra

2/
Fa maninona moa ny olona no tsy mety sambatra
Na dia miezaka foana mitady izany hoe fitsaharana
Fa sento, tomany no hitany
Fahoriana foana ny androny
Ka feno fijaliana ny fiainany
Ka tandremo sao diso lalana ianao
Ity misy lalana iray mba atoroko anao
(Miovà ianareo rehetra)
Voasoratra fa mankanesa aty Amiko ianareo rehetra
(Miovà ianao, Izaho no hanome))
Izay miasa fatra(tra) mavesatra en(tana)
F’Izaho no hanome anareo fitsaharana mandrakizay
(Fi)tsaharana mandrakizay eo anilan-dRay

3/
Fa maninona moa ny olona no manjary masiaka
Dia tsy vitsy ihany koa fa maro tokoa ireo be dohika
Tsy manaiky resin’ny namany
Voninahitra no ambony
Ka tsisy fifaliana ny fiainany
Ka tandremo sao diso lalana ianao
Ity misy lalana iray mba atoroko anao
(Miovà ianao, miovà ianao, aza mba tezitra)
Aoka ny olona ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra
(Miovà ianao… sitrak’Andriamanitra)
Ka halady hihaino, f’izany no sitrak’Andriamanitra
Ndao hanahaka an’i Jesoa isika, dia Ilay malemy fanahy
Mba ho sambatra
Ndao hanahaka an’i Jesoa isika, dia Ilay malemy fanahy
Mba ho sambatra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Hits : 195
Likes : 0 Like
Created by : akoniziona
Date : 09/11/2023 08:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2352