Ny tiana eo anilan'ny tiana (Andrianary Ratianarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tiana eo anilan'ny tiana roy ô
Miangolagola é mahafinaritra zareo
Toa tatamo sy kamory
Ka aina mantsy no fetra roy ô
Eny roy ô ! eny roy ô !
Ah ry ‘zareo


Ny eo akaikin'ny lala roy ô !
Mitositosy ô! Miramiran-tava izy ô
Bararata ladinim-bahy
mifaningotra mandra-maty roy ô
Eny roy ô, eny roy ô
Ah ry 'zareo


Raha sendra ka tsy hita i lala ô !
Misento anie aho; maizina atoandro ny andro
‘rony volana ery ambony
Io no hiaraha-mijery roy
Eny roy ô, eny roy ô
Ah ry ‘zareo

Feony sy tonony: Andrianary Ratianarivo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Andrianary Ratianarivo
Hits : 1056
Likes : 1 Like
Created by : Kalofahiny
Date : 24/01/2022 22:40
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749