RAY MPAHARY (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manerana ny zava-boahary
Ny fahavelomanao ry Tompo
Samy mandray amin'izany
Izay rehetra taratry ny famirapiratry ny voninahitrao
Ry Ray Mpahary ny hazavana
Nomenao avokoa 'zahay, tsy ankanavaka

Mba inona no hasetritsika
Izany tara-pahazavana
Sa kosa ve mbola hangatsiaka
Na koa handairan'ny fanala
Jesoa anie miandry foana
Ny hafanam-ponao

Ry Ray Mpahary ny hazavana
Mamelombelona anay
Ny foko tano tsy hiala
Ho Anao mandrakizay

Toy ny masoandro migaingaina
Ny herin'ny Fitiavanao
Tsy hay tohaina, hidifiana
Manenika izao tontolo rehetra izao ka iza moa no tsy hahazo
Ry Ray Mpahary ny hazavana
Nomenao avokoa 'zahay, tsy ankanavaka

Mba inona no hasetritsika
Izany tara-pahazavana
Sa kosa ve mbola hangatsiaka
Na koa handairan'ny fanala
Jesoa anie miandry foana
Ny hafanam-ponao

Ry Ray Mpahary ny hazavana
Mamelombelona anay
Ny foko tano tsy hiala
Ho Anao mandrakizay
Ny foko tano tsy hiala
Ho Anao mandrakizay

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Link:
Comments
AMPIZIFA ( 18/04/2024 15:03)
Hira tena mifanaraka amin'ny lohahevitra hoe: "Manazava ny mpino ny Tompo"
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIZIFA
Hits : 153
Likes : 1 Like
Created by : AMPIZIFA
Date : 19/03/2024 10:00
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114