'LAY MESIA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toy izao ny fitiavan'ny Ray
Ho antsika izay zanany
'Lay Mesia nirahiny
Mba hamonjy antsika tety

Tranon'omby no mba nihaviany
Teo am-pihinanam-bilona
Tsapanao ve ry havako ô!
'Lay Mesia nietry ho ahy sy ho anao

'Lay Mesia nidina ho antsika
Tonga teto ho ahy sy ho anao
Ka hobio sy hifalio
Ny Famonjena izay vitany

'Ndeha hihira toy ireo anjely
Hankalaza, hitsaoka Azy re
Voninahitra ho an'ny Ray
Fiadanana ho an'ny olony

'Ndeha hihira toy ireo anjely
Hankalaza, hitsaoka Azy re
Voninahitra ho an'ny Ray
Fiadanana ho an'ny olony

Voninahitra ho an'ny Ray
Fiadanana ho an'ny olony
Fiadanana ho an'ny olony
Fiadanana ho an'ny olony

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIZIFA
Hits : 160
Likes : 1 Like
Created by : AMPIZIFA
Date : 18/03/2024 12:11
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012