EO AMINAO (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eo Aminao no tsara ho fialofako
Ny Herinao no lamba hirakofako
Ny Teninao mamelona ahy,
Handreseko ny ahiahy
Ny tahotro hisava sy ho levona
Fa raha tsy Ianao mitantana ny fiainako
Tsy haiko akory izay aleha sy mety hahasoa
Raha tafasaraka Aminao
Tsy fantatro izay hanjoa
Eo Aminao no tena mahatsara ahy

Mba raisonao ny tànako,
Tantano aho Ray ô!
Amin'izay alehako, tantanonao
Ny eo akaikinao Ray ô!
No tena mahatsara hialofako
Satria Ianao Mpamonjiko

Eo Aminao no tsara ho fialofako
Ny Herinao no lamba hirakofako
Ny Teninao mamelona ahy,
Handreseko ny ahiahy
Ny tahotro hisava sy ho levona
Fa raha tsy Ianao mitantana ny fiainako
Tsy haiko akory izay aleha sy mety hahasoa
Raha tafasaraka Aminao
Tsy fantatro izay hanjoa
Eo Aminao no tena mahatsara ahy

Mba raisonao ny tànako,
Tantano aho Ray ô!
Amin'izay alehako, tantanonao
Ny eo akaikinao Ray ô!
No tena mahatsara hialofako
Satria Ianao Mpamonjiko

Eo Aminao!

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIZIFA
Hits : 176
Likes : 1 Like
Created by : AMPIZIFA
Date : 19/03/2024 08:42
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012