Aza manahy (AMPIZIFA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza manahy amin' izay ho anareo ny amin'ny ainareoDia izay hohanina sy hosotroinareo izay mba hosotroinareo
Fa fantatr’ilay Tompo Ray an-danitra ao izay mahasoa anareo
Fa katsaho foana aloha ilay fanjakany mba hahazoana ireo
Tsinjovy anie irony voromanidina tsy mba mamafy re
Na koa mijinja mitaona mba ho any an-tsompitra e!
Fa maika moa isika nataony hoe zanany tsy maintsy ho ambininy
Fa dia nahoana no fatra-panahiana ny amin'ny fitafianareo
Moa va ny tena mihoatra ny fitafy no toa mampanahy anareo
Fa fantatr’ilay Tompo Ray Mpahary anao izay mahatsara anareo
Fa katsaho foana aloha ilay fanjakany mba hahazoana ireo
Diniho tsara ireo voninkazo tsy miasa mamboly re
Fa na dia mpanjaka izay manan-daza tsy mba nitafy toy ireo
Fa maika moa isika ry kely finoana ô! tsy maintsy ho tinafiny
Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe na AMPIZIFA
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : AMPIZIFAHits : 1270
Likes : 1 Like
Created by : EmpaMandala
Date : 19/08/2019 06:34
