AOKA MBA HO MASINA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka mba ho masina ianao
sy izay rehetra momba anao
fa masina Jehovah Andriamanitrao
ka mba ankatoavy sy hajao

F'efa nafoiny ny ainy
ho fanavotana antsika
teo amin'ny hazo fijaliana
no nanehoany f'Izy tia anao

Aoka mba ho masina ianao
masina toetra sy fanao
ny fiainanao rehetra atolory Azy izao
omeo hanjakany ny fonao

F'efa nafoiny ny ainy
ho fanavotana antsika
teo amin'ny hazo fijaliana
no nanehoany f'Izy tia anao

Aoka mba ho masina ianao
fa mandalo anie izao andro izao
ireo ratsy izay natao hifony hambarao
dia aoka mba ho masina ianao

F'efa nafoiny ny ainy
ho fanavotana antsika
teo amin'ny hazo fijaliana
no nanehoany f'Izy tia anao

F'efa nafoiny ny ainy
ho fanavotana antsika
teo amin'ny hazo fijaliana
no nanehoany f'Izy tia anao

Izy tia anao, tapaho ny hevitrao
ka aoka mba ho masina ianao
--------
Link:
Comments
AMPIZIFA ( 19/03/2024 12:28)
Hira fandinihan-tena amin'izao andron'ny Karemy izao! Aoka mba ho masina izaho sy ianao
AMPIZIFA ( 28/03/2024 13:54)
Aoka mba ho masina: Hira herinandro masina Paska
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIZIFA
Hits : 137
Likes : 1 Like
Created by : AMPIZIFA
Date : 15/03/2024 11:33
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732