Satria aminao (AMM (Antsan' i Maria Manjaka) Talatamaty)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toy ny lakana iray mitety rano aho Tompo ô,Mihevaheva am-pandehanana aho.
Tsy mba manam-pitsaharana aho, tsy manam-piadanana
Fa feno tebiteby lava izao.
Raha tsy ianao no mihazona ahy sy mitantana ny dia,
Mino aho fa tahaka izay efa rendrika aho.
Soa fa mbola ao ny tananao ry Tompo tia!
Afaka hampitsahatra 'zay mety ho tafio-drivotra.
Ka ny onja mahery dia ho tony,
Matoky aho fa manana anao.
Satria aminao, satria, satria, Satria aminao(2)
Feno hasambarana tena,tena maharitra,
Ampio aho, Tompo ô, hifikitra aminao ô! ô! ?
Ampio aho, Tompo ô, hifikitra aminao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : AMM (Antsan' i Maria Manjaka) TalatamatyHits : 369
Likes : 1 Like
Created by : RadoBass
Date : 07/04/2023 21:19