Mbola misy (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola misy ireo noana sy izay reraka, tratry ny adim-panahy ka toa ketraka
Fa voafatotra mafy ny adim-piainana ety, te hiala vao Injay mankafy
Mbola misy ireo jamba sy ireo tsy mandre,milomano ao anatin'ny aizina bè
Maizin-dava isan'andro ka mahantra tokoa,tsy mba manana ilay Tomposoa.

Mbola misy mijaly voageja ao am-po,nogadrain'i satana ka hita fa voa
Andriamanitra hafa no itokian'izy ireo, miampanampana sy mitoreo
Mbola misy ireo mangetaheta am-panahy, te handroso hanompo kanefa tsy sahy
Milanao mba hitory hanazava ny dia, mba tahio ré fa ondry mania

Mbola misy ireo efa mijoro hatrizay,mitandrema sao lavo k'iverina indray
Aza manandra-tena, toetra ratsy ario,Avonavona ré mba fadio
Mbola misy matory tsy Mbola mifoha,na dia ireo izay milaza fa an'i Jesoa
Fahazarana ihany no ivavahana, mampidera fa hoe Mpanana.


Ireo ondrin'ny Tompo mania, tsy Mbola amin'ity vala Ity
Ireo no hanirahana anao,ka andeha mba fantaro, zahao
Ianao no antenain'izy ireo,ireo noana am-panahy e! Vonjeo
Fahano ary ireo ondry kely, ka tezao re! Fandrao ho very.

Key: Bb
A/C: RAKOTOARILALA Nest Herry-Lys
A.MI.KRI 2001
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)
Vangy : 368
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miharymamy8
Daty : 14/06/2022 21:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713