Vola (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia Bb

[Hatraiza kosa ny herinao vola?
Hatraiza koa ny herinao,
Sy ny tanjaka anananao?
Lavitranao be sorisory,
Ny akaikinao tsy matory,
Ny lazan'ny mpanananao ô,
manako ami'zao tany izao.
Antitra na tanora
tsy maintsy mitady vola. ] ×2

[Ny fahamarinana(marina)
voatakonao avy hatrany.
Ny fihavanana (havana)
voasalonao eto an-tany

Fitiavana anao tafahoatra vola
hadino ny any an-koatra.
Ry olombelon'ô,  mba lanjalanjao
ny ho avin'ity fiainanao.
Jesosy irery ihany
no mahavonjy eto an-tany.] ×2

[Koa asio fiheverana,  ry olon-drehetra
ny vola tsy azo hianteherana, misy fetra ô

Jeso no Tompo mahery
Izy no ilay tsy miova
Mpamonjy Mpiahy tokoa
Nandà nandresy ny vola
hanome lanitra ho valisoa.] ×2

A/C Burman
©Mangazaka
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Hits : 764
Likes : 0 Like
Created by : mangazaka2
Date : 26/12/2019 08:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769