Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tiany ianao (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ho anao 'zay mbola variana amin' izao fiainana izao,rendriky ny hadalana sy rendrarendra fanao
Tsy mahita afa-tsy ny maizina no lalanao
Miverena fa miandry anao Jesoa
Isan' andininy :
Ô ô avia! fa raisiny ianao raha miverina
Matokia fa Izy tsy handatsa na haneso anao
Fa ny zanany : malala eo imasony,
ontsa ny fony, malahelo anao
satria tena tiany ianao
2- Adinoy ny lasa ao, aza miveein-dalana intsony
'zay rehetra nomena anao fikiro mafy ary tazomy
Mety ho maromaro ireo sedra' zay lalovanao
Mahereza fa Jesoa tsy mandao
Isan' andininy :
Ô ô avia! fa raisiny ianao raha miverina
Matokia fa Izy tsy handatsa na haneso anao
Fa ny zanany : malala eo imasony,
ontsa ny fony, malahelo anao
satria tena tiany ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)Hits : 139
Likes : 0 Like
Created by : Herizo15
Date : 04/09/2025 17:41
