MEDLEY 1 (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Efa atomotra ny andro farany
Ka mba mibebaha
Fa miseho avokoa ny ady etsy sy eroa
Manerana ny tany
Tanteraka zay voalazan'ny soratra Masina

Ka ny tsara azo atao
Miombom-bavaka izao
Ny eo akaikinao Jesosy o
Tsy misy mampanahy

2. Andriamanitra o! Omeo ahy ny fo
Fanahy vaovao
Ka ny heriko rehetra entiko mba hanompoko anao
Fantatro fa misy adidy masina izay napetrakao
Indrindra fa ny fanasoavana ny tranon'Andriamanitra
Tamin'ny heriko rehetra
Tamin'ny heriko rehetra
No namoriako izay hanaovana
Ny tranon'Andriamanitra

3. (Duo)...
Aiza no làlana alehanao
Anjaranao no misafidy izao
'Lay lalam-be dia maro no mankao
Kanefa helo no miandry azy ao.

4. Faly, falifaly ny foko
Faly, mankalaza ny Tompo
Faly! Tena feno hafaliana
Faly fa nandray fitahiana

Fa ny mahery efa nanao
Zavatra lehibe tamiko
Ary masina ny anarany
Eny masina ny anarany
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Hits : 62
Likes : 0 Like
Created by : AFIF
Date : 11/08/2024 06:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073