IZA MOA NO TSY MANAIKY (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ôh iza moa no tsy hanaiky
fa hoe sarotra ny fiainana
ary iza koa no sahy hilaza fa hoe mahita fiadanana
Ôh iza moa no tsy mikatsaka itony vola sy harena
kanefa kosa toa vomaika
latsaka ao an-katerena

   Fa inona eh no antony
   tena mahatonga izany
   toa mampijaly loatra re
   ty fiainana eto an-tany
  nahoana moa ty tany ty
  maika mikorosofahana
  rahoviana re isika izao
  no mba ahita fahafahana

Nahoana moa ny taninao no tsy mety ho tafiarina
angamba ho aho nafeninao sy notakomanao ny marina
nahoana moa no mahantra sahirana ny firenena
angamba ho aho manjaka ao, manjaka ny fitiavan-tena
    
   Tandremo re! tandremo lahy
sao mandrora mitsilany
izay hafafinao anie no jinjaina ety an-tany
ny tody anie tsy misy fa ny atao no miverina
ka mba diniho izay atao fa sao dia mety ho hanenenana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Hits : 86
Likes : 0 Like
Created by : AFIF
Date : 13/08/2024 19:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765