Mifona (AFA F3 ( Anjomara Famonjena Anosibe Faritra fahatelo))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Efa fantatrao Tompo o! ny fiainana hiainanay ety
     Miatsaravelatsihy hoe: mpanara-dia, tsy mendrika ny ho zanakao
     Isan’andro toa mandaha Anao ny fihetsikay tsy voafehy matetika
     Nofo ihany ka solafaka indraindray, raha sitrakao jereo Tompo o!

2 - Jesosy o! MIFONA izahay, havaozy ireo mba ho madio fo
      Ka ny lalan-diso taloha, tsy hiverenanay f’Ianao no harahinay
     Aza avelanao ho irery, tantano koa sao ho very
     Maro ireo fankam-panahy, tsy ahoako ireo f’Ianao mbola eo
     Ka na inona hanjoa, tsy ho kivy koa anie ny fo
     Fa Ianao mitantana ahy, ka raiso aho Ray ho Anao mandrakizay.

** Mifona **AFA F3 FLM Anosibe Fampiraisana (Anjomara famonjena Faritra fahatelo)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AFA F3 ( Anjomara Famonjena Anosibe Faritra fahatelo)
Hits : 10
Likes : 0 Like
Created by : Mharck
Date : 28/04/2026 19:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0643