Trinite (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ray ô ampio izahay fa tena be setrasetra ny tany
Manompo vola sy harena, ireo mahantra toa tsy jerena
Aiza ilay fahendrena izay toa lasa hosihosena
ô jereo mampahonena, avotinao ity firenenay
Ray masina ô vonjeo zahay
Ray masina ô ho aiza indray
Fa mitaraina ny tany, aiza indray re no hilaza izany
Fa Ianao Ray mahalala izay tena mety hahasoa sy tsara

2- Toa tsy voatana ny foko hankalaza Anao ry Mpamonjy
Ka sanatria ho soloiko fa hanompo Anao mandrakizay
Mba faniriako ry Tompo, ilay finoana tsy ho faty ao am-poko
Hiezaka aho mba hanavao, Jesosy ô tano aho tsy hiala amiNao
Jesosy ô! Anao zahay, Jesosy ô! aza manahy
Ilay famonjena efa vita sanatria re hodianay tsy hita
Tano izahay fa mitalaho, very izahay raha miala amiNao

3- Fanahy Masina hendry, mba tariho izahay voatendry
Hitady soa sy ny tsara, fitoriana filazantsara
Ampianaro hahalala, izay tsy sitrakao aoka hiala
Fa hankatoa lalandava, ilay fitiavana tsy ho rava
Fanahy ô midina re, Fanahy ô meteza re
Mba ho fanilo hanazava, ny aizim-pito re aoka hisava
Ho tody soa ka handova ilay fiainana mandrakizay

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka, Fanahy Masina amen...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)
Hits : 143
Likes : 0 Like
Created by : Randria7
Date : 23/08/2023 14:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1756