HO OLOM-BAOVAO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mandray ny Tompo ianao
Anio dia minoa fa ho olom-baovao
Ka ny ota izay nandavo anao
Adinoina
Satria ianao nitalaho sy nifona
Ho afaka e, ho voadio am-po
Tena olon'afaka ianao

Anio ary meteza koa
Ho isan'ireo hizarany ny soa
Ka ilay fahasoavany tsy mety lany
Hirotsaka, hivatravatra hatrany
Ho sambatra ianao, ho tretrika am-po
Satria tian'Ilay Tompo soa

Lalao RANDRIANARISON
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6534