MILA ANAO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O mideza izany lalako
Izay mankeny Aminao Raiko o
Koa miangavy aho, mitalaho aho
Mba tantano izany diako

Mila Anao aho Jesosy tia o
Mila Anao aho Raiko tia o
Aza avelanao irery aho
Mba tsinjovy izany lalàko

Indro raiso izany tanako
Fa mitady Anao Raiko
Tano mafy aho, raiso aho
Te hitoetra eo anilanao

Mila Anao aho Jesosy tia o
Mila Anao aho Raiko tia o
Mbola lavitra izany lalako
Mba arovy tsy hiverain-dalàna

Michel RAKOTOARISOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0562