Ho aiza moa (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ory aho , ho aiza moa e (eo antongotrao)
No hany herin-janakao ry Raiko be fitia
Fa Andriamanitro Ianao, Mpamonjy sady koa Mpiahy
Mahita ny adin-tsaiko izay mahakivy ahy
Ka na mafy aza ny ady ety e (dia tsaroako foana)
Fa Ianao mihitsy no miady mafy ho ahy
Ka na misento aza aho sy mitomany indraindray
Dia tonga Ianao mandrava ny aizi- mitatao

Réf : Ho aiza intsony moa fa hialoka eo ambany elatrao ry Ray
         Fa izao tontolo izao mamitaka ka zary mankalao
         Ko hivalozako raha sitrakao
         Hitalahoako eo an-tongotrao
         Mba raiso re ny fiainako ka hanjakao (ho Anao )

BARIVOLA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1691